PolitiqueTsidika

Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana: Manana ny anjaratoerany lehibe.

Andrimpanjakana goavana eto amin’ny firenena ny “Haute Cour Constitutionnelle “na ny HCC. Misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainam-pirenena ny fanapahan-kevitra raisiny. Vitsy amin’ny olom-pirenena no tena mahafantatra azy na ny andraikitra sahaniny na ireo olona mandrafitra azy. Tendren’ny filoham-pirenena hiasa mandritran’ny 7 taona ny mpikambana telo amin’izy ireo na ny filohan’ny fitsarana raha toa ka 9 ny isany. Fidian’ny antenimeran-doholona ny roa, ary ny antenimeram-pirenena ny roa. Ny filan-kevitra ambony eo amin’ny mpitsara kosa no manapaka ny roa hafa. Tsiahivina fa izy ireto no mikarakara tanteraka ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana. Anisany mandamina sy mitsara ny raharaha rehetra momba izany ihany koa izy. Mitovy amin’ny asa sahanin’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta sy ny antenimera ihany ny hataon’ny HCC. Tamin’ny fotonan’andron’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no nisy ny fanendrena an’andriamatoa Jean Eric Rakoarisoa ho filohan’izany fitsarana avo izany. Tokony ho tapitra amin’ity taona ity araka izany ny fetr’andro hitondrany. Miditra indray ao anatin’ny fanendrena mpikambana vaovao ny filoham-pirenena am-perin’asa ankehitriny. Zon’ny olom-pirenena sy ireo fikambanana eto Madagasikara, ary ny filohan’ny andrim-panjakana ny manontany mahakasika ny lalàna mety hampisalasala azy ireo. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire