Alasora : Omby efatra nirifatra ny labatoara tao Ankadindratombo
Omby miisa efatra avy eny amin’ny labatoara, toerana famonoana omby ny Ankadindratombo no nirifatra, namakivaky ny renivohitra, omaly maraina. Araka ny voalaza, namakivaky faritra maro teto an-drenivohitra, toa an’ny Soanierana, Ankadilalana, Mahamasina ny iray ary ny telo kosa mbola hita teny Antsahamanitra. Nanaitra ireo mpandeha teny an-dalana ireo omby, izay tamin’ny ora fidiran’ny mpianatra ny maraina no nitrangan’izany.
« Anisan’ny mitaky fandraisana fepetra goavana sy fanaraha-maso entitra ny fandaminana ireo omby ao amin’ny labatoara. Mety hitera-doza isan-karazany ny tsy fahafehezena ireo omby ao an-toerana noho ireo omby ireo tsy zatra fiara na mahita olona maro aty an-drenivohitra » hoy i Rasamy, mpamily fiara fitateram-bahoaka.
« Tsy maintsy samy manao izay hahavotra ny ainy ny olona, ary misahotaka rehefa mifanena amin’ny omby, indrindra moa fa hoe omby avy any amin’ny labatoara (masika) ka tokony handray fepetra matotra ireo tomponandraikitra sy mpikarakara omby ao an-toerana ireo, hisorohana ny olana mety haterak’izany isan-karazany » hoy i Holy, renim-pianakaviana.
Mety hitera-doza ho an’ny rehetra ny fandehanan’ny omby eny an-dalana. Maro ny olana mety haterak’izany na eo amin’ny fifamoivoizana na eo amin’ny mpandeha an-tongotra tsotra. Ilaina araka izany ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo tompondraikitra misahana izany.
Manitra Ramanantsoa
