Dépêches

Kolontsaina: Sazy mafy no mahazo ireo olona izay tratra manimba ny fananana iombonana.

Dépêche 12 octobre, 15h, Araka ny hita efa herinandro maromaro izay dia misy manimba, mandoto, manimbazimba ireo sarivongana sy ireo fananana iombonana eto Antananarivo Renivohitra. Izy ireny izay natao hahatsiarovana ny tantara, hampahafanatarana ny taranaka mifandimby ny zava-nisy ary indrindra sady haingon’ny tanàna. Mampitandrina ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Kaominina fa tsy handefitra amin’ireo izay minia manao izany. Manomboka amin’ny fampitandremana sy ny fitenena am-bava ny fisehoan’ny sazy ary mety hiafara hatramin’ny fanenjehana heloka be vava.

Laisser un commentaire