Laharam-pamehana ny fiarovana ny ala.
Manodidina ny 50000 ha ka hatramin’ny 100000 ha ny salan’isan’ny ala potika eto Madagasikara.Anisan’ny sangany eran-tany isika amin’ny fanimbana ny tontolo iainana, indrindra ny fanapotehana ny ala voajanahary. Midika izany fa tsy foana ny ary tsy vohafehy ny doro tanety ary ny fanimbana ala eto amitsika. Anisan’ny antony ny tsy fahampian’ny velaran-tany azo volena sy jariana ary ny tsy fisian’ny asa ka voatery mitrandraka ny harena voajanahary ny mponina. Anisan’ny tena alalan’ny any ivelany antsika ihany koa ny zavaboahary, ny fizahantany mifototra amin’ny tontolo iainana, indrindra ny fisian’ny zava-manan’aina miavaka maneran-tany. Saingy mahakivy azy ireo ny firongatry ny fanimbana tontolo iainana eto amitsika, manginy fotsiny ny doro ala sy ny doro ttannety ary ny fandripahana ny ala,izay ambolena sy hitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny ankabeazany. Ankoatrany maha-toerana fonenan’ireo biby samihafa ny ala, mitana anjara toerana lehibe amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro ny fisian’ny ala. Manampy amin’ny fisian’ny rotsak’orana ary mitana ny tany tsy ho kahon’ny riaka.Vokatry ny fanimbana izany anefa, mihotsaka ny tany, maloto ny rano sotroina ary lasa tsy zarizary ny toe-pahasalaman’ny olona nohon’ny setroka hateraky ny doro –tanety. Amporisihana araka izany ny fambolena hazo ilainn’ny mponina toy ireo hazo ahazaona angovo fandrehitra, ny hazo fampiasan’ireo mpanao asa anana, ny fihinam-boa ary ny haingam-paniry.
Fanilo Rarivoarilala
