Miaramila : Nanampy traik’efa tamin’ny alalan’ny fianarana teny anglisy
Dépêche 27 septembre, 16h, Tsy hoe rehefa miaramila dia ny herim-batana ihany no hatao matanjaka, ilaina ihany koa ny herin-tsaina ka anisan’ny hampitomboana izany herin-tsaina izany ny fianarana sy ny fanampiana traikefa amin’ny sehatra rehetra. Nahazo ny maripahaizana miteny anglisy ireto miaramila 25 ireto ary vao vita ny fianaran’izy ireo dia misy andiany manaraja indray hianatra ao. Ny fandaharan’asa fampianarana teny anglisy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny ivon-toeram-pampianarana teny anglisy, izay tohanan’ny Departemantan’ny Fiarovana Amerikana, dia niorina tamin’ny taona 1995. m
