ActualitésTsidika

Masindray : Hisy ny lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny taranja baolina kitra androany

Efa nomanina ela, ary nafana ny fanazaran-tena ho an’ny ekipan’ny Buffalo avy ao Masindray amin’ny fanomanana ny lalao ara-pilahalahiana, izay hifandonany amin’ny klioban’ny D1 Avaradrano androany, ao amin’ny kianjan’ny Masindray, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro.

« Efa vonona tanteraka ireo zazalahy mpilalao avy ao amin’ny ekipan’ny Buffalo. Nisy foana ny fizaran-tena natao tety amin’ny kianja ary efa ampy azy ireo tsara ny toro sy ny teknika entina milalao mandritra ny fifandonana » hoy ny mpanazatra ny Buffalo. « Ilay izy Match amical, amin’io no ahitana ny fahaiza-manao ireo ekipa hifaninana. Amin’ny karazana fifaninana ohatran’izao no tena ahafahana maka traik’efa. Hatsapana ihany koa ny fahaizn’ireo klioba mifanandrina amin’ny ekipan’ny tena » hoy i Zara, mpankafy baolina ao Masindray.

Anisan’ny samy manao ezaka ary efa sangany ao amin’ny kaominina ireo ekipa ireto izay samy manana ny fahaizana mampiavaka azy. Ny fanohanana ireo klioba ety ifotony tahaka izao no anisan’ny mitondra fandrosoanasy laza mahatonga fifaninana eny anivon’ny kaominina tsirairay izay tokony homen-danja hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire