ActualitésTsidika

Belo ambonin’i Tsiribihina : Katekista iray novoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nisy namono amin’ny fomba feno habibiana ny alin’ny asabotsy 20 aogositra 2022 lasa teo ny katekista iray avy ao amin’ny fiangonana FLM Andranofoty, Belo ambonin’i Tsiribihina faritr’i Menabe.

Mbola tsy fantatra mazava ny anton’ity tranga mampalahelo niseho ity, na sotasota nataon’ny dahalo tao an-toerana na lonilony avy amin’ny olona manodidina ity katekista ity. Voalaza araka ny vaovao fa anaty faritra mena amin’ny asan-dahalo no nisy ilay katekista ity. Etsy ankilany anefa, manahy ny fihitaran’ny raharaha ny any an-toerana satria olona tsy nanana olana teo amin’ny fiaraha-monina ity voakasika ity, hoy ireo olona avy any an-toerana. Manamafy izany ny foiben’ny FLM any an-toerana : « atahorana hiteraka adim-poko ity olana ity ka mangataka antsika rehetra hitondra am-bavaka ny fianakaviana niharam-boina sy ny ankohonanany ary ny Fiangonana nentiny sy ny Fileovana iasany ».

Hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy hita ny tapa-dohan’ilay katekista ary mangataka ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny fianakaviana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire