Lavanila : Noferana ho 500 000 Ar ny vidiny farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana
5 Aogositra, 11h 30 Nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra ny 03 Aogositra 2022 teo ny famerana ny vidy farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana ho 500 000 Ar ny farany ambany amin’ity taom-pamarotana 2022-2023 ity.
Natao nifanaraka tamin’ny soso-kevitra nentin’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) izany raha ny tatitra. Marihana fa andraikitry faritan’ny didim-panjakana mikasika ny CNV ny fanolorana soso-kevitra amin’ny Fanjakana mikasika ny vidin’ny lavanila eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
