Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fisitrahana tsena mora
Tontosa tao amin’ny Fokontany Ilafy sy ny manodidina indray ny tsena mora omaly. Nizotra tsara tao anatin’ny filaminana ny fanatanterahana izany.
« Voahaja ny vidin’entana napetraky ny Fanjakana. Jifaina 1 000 Ariary ny iray kilao amin’ny vary, ary ferana 5 kilao isan-tokantrano » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena manampy betsaka anay tokoa ny hetsika ara-tsosialy tahaka izao. Efa hitany ihany ny tsena mora tahaka izao. Efa tena lafo loatra ny vidim-piainana ary zara caza misy an’itony » hoy i Tiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Mijery hatrany izay mahasoa ny vahoaka ny ao amin’ny Kaominina. Anjarantsika kosa indray ny manaraka hatrany ny fandaminana apetrak’izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
