Mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna
Na inona na inona sokajin’ny olona iray eo amin’ny firenena dia mitovy ny olon-drehetra ihany izy rehefa hikarakara taratasim-panjakana. Manamarina izany ny tranga tamin’ny zoma 12 febroary. Tonga teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana eny ambohidahy ny jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, Ravalomanana Richard, nanatitra ny fanambaram-pananany. Nilaza ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy mba misy atahorany ny nahazoany ny fananany rehetra. Ny zandary tokony hanao izany ary efa nomeny toromarika ny mpifehy isan’ambaratonga, hamita haingana ny fanambaram-pananany. Matetika mantsy no heverin’ny olona fa mpihinam-bolam-bahoaka ny zandary ka mila manao fanambaram-panana izy ireo handisoany izany fiheverana izany. Olom-pirenena izy na zandary aza ka mitovy rehefa anatrehan’ny lalàna.
Nicole Rafalimananjara
