ActualitésTsidika

Alasora : Mizotra tsara ny fanamboarana ny EPP Miadana sy ny kianja filalalaovana basket-ball

Mizotra soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny EPP Miadana ao amin’ny kaominina Alasora. Isan’ny vina napetraky ny kaominina entina hanatsarana ny lentan’ny fanabeazana ity tetik’asa ity.

« Mizotra sy fanamboarana sy fanatsarana ny EPP Miadana eto amin’ny kaominina Alasora. Eo ihany koa ny fanarenana ny kianja filalaovana basket. Azon’ny rehetra atao ny milalao afaka fotoana vitsy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Efa manomboka mivelatra ny taranja basket-ball eto Alasora. Ny kianja indray no tsy ampy. Isaorana ny kaominina nijery hatrany ny hoavinay tanora tamin’izao fanarenana ny kianja izao » hoy i Rova, tanora mpilalao basket.

Miezaka hatrany manatsara ireo fotodrafitr’asa iombonana ho tombontsoan’ny rehetra ny kaominina Alasora. Anjarantsika vahoaka indray no mikajy sy mikojakoja azy ireny avy eo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire