ActualitésTsidika

Ambohidrabiby : Nitombo indray ireo ranty azo tsidihana ao amin’ny Rovan’Ambohitrabiby

Ireo vakoka hita tao ambany tany tamin’ny nihadiana ny lavaka nametrahana ny andry sivin’ny lapa Fenohasina no efa aranty ao anatin’ny latabatra vaovao avy amin’ny tsara sitra-po ao amin’ny Rovan’Ambohidrabiby. Nitombo indray ireo ranty azo fantarina sy tsidihina ao anaty Rovan’Ambohidrabiby.

« Nisy ireo vakoka tao ambany tany hita nandritra ny fiadiana lavaka hametrahana ny andry sivin’ny lapa Fenohasina. Azon’ny mpitsidika atao ny mijery ireo vakoka ireo sy izay momban’ny rovan’Ambohitrabiby. Marihina fa ny rovan’Ambohidrabiby no niandohan’ny fanjakana merina Ambaniandro » hoy ny avy ao amin’ny fikambanan’ny taranaka Ambohitrabiby. Tsiahivina hatrany fa misokatra isan’andro ny alatsinainy ka hatramin’ny alahady manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ho an’ny Mpitsidika ny fidirana ao amin’ny Rovan’Ambohidrabiby. Misy sarany hefaina mialoha eo ambavahadin’ny Rova raha hiditra ao anaty Rovan’Ambohidrabiby, izay tsy maintsy ahazoana tapakila fidirana avy amin’ny tomponandraikitry ny Rova.

Misy Mpitarika efa voaofana ho amin’izany, hanazava ny rehetra mahakasika ny Rova. Ny firenena matanjaka dia ireo firenena manome lanja ny kolontsaina nentindrazana ao aminy ho an’ny mponina ao aminy sy manerantany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire