Mohara : Ody gasy mbola misy amin’izao fotoana
Ny ombiasy matetika no tsy afa-misaraka amin’ny karazana korontan-javatra madinidinika antsoina hoe « ody ». Zavatra maro no mety ho hita amin’izany, izay ilàna fahaizana manokana. Mifandray amin’ny fitakian’ny hery miafina nefa ny filalaovana ody, izay ratsy matetika, ka mahatonga azy ampiasaina amin’ny zavatra ratsy. Anisan’ny ody fahita matetika ny tapatapa-kazo, tandrok’omby, akoran-driaka, zava-maniry, vola vy hatramin’ny vatosoa,…
Misy ihany koa ny mohara, izay fangaron-javatra maromaro amin’ireo akora voalaza ireo. Ny ombiasy no mikarakara sy manambatra izany, ary omena olona iray izay mangataka azy izany, arakaraky ny zavatra ilainy. Tahirizin’io olona io izany, ary omeny hasina arak’izay filàny. Izay olona mitondra, mitaiza sy mampiasa izany kosa, dia mihevi-tena ho manana hery miafina manampy azy, ka mampiasa izany amin’ny ankolafiny maro.
Ny fahazoana ny mohara anefa dia mitaky sorona atolotra ny « masina ». Arakaraky ny hampiasàn’ny mila azy no anamboaran’ny ombiasy azy. Ka misy ireo mitazona azy, mba ho fiarovana amin’ny ankaso, fa misy kosa ireo mitazona azy entina manao ratsy ny hafa na koa mangalatra, toy ny amin’ny ody bala fanaon’ny dahalo.
Herimalala Ratsimbazafy
