Comores : Lehilahy roa voaheloka ho faty
Namarana ny fotoam-pivoriana 2022 ny fitsarana ambony ao amin’ny Fitsarana Moroni ao Comores. Navoaka nandritra izany ireo didim-pitsarana momba ny raharaha heloka bevava samihafa. Taorian’ny fanadihadiana naharitra enim-bolana dia tapaka nandritra ny fivoriana fa ho helohina ho faty ireo lehilahy roa namono olona ny taona lsa teo.
Lehilahy iray antsoina hoe Abdoulanziz Said Ali, 30 taona ny iray amin’ireo lehilahy voaheloka ho faty ireo. Namono mpamboly iray tao avaratr’i Grande-Comoros izy io. Lehilahy antsoina hoe Hadji Ahamada kosa ny faharoa, voaheloka namono ny rafiny izy ny 8 novambra 2021 teo.
