ActualitésTsidika

Anjeva : Dobodoboka fomban’aponga

Misy ny fampianarana dihy mirindra faobe ao Anjeva Gara. Mitety fokontany mihitsy ireo mpikarakara izany.

« Efa nahazo ny anjarany ny tao Antanetibe sy ny Ambatofolaka, Mangarano, Faliary ary Anjeva tanàna. Isaky ny hariva no nanatontosainay izany, entina hampifaliana ny mponina. Eny Ampahimasina Sabotsikely indray ny androany » hoy ny mpikarakara. « Tena mahafinaritra tokoa ny ataon’izy ireo. Hita ho tena faly sy miravo ny mponina. Misaotra anareo mizara hafaliana ho anay » hoy i Sitraka, mponina ao Anjeva.

Ho fanomanana sahady ny fetin’ny pentecosta ity hetsika ity. Hisy tokoa mantsy ny dihy mirindra ho atao ny alatsinainy izao izao ao Anjeva.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire