Ambohimanga Rova : Nisy ny fanaraha-maso ireo zana-kazo vao novolena
Nisy ny fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena tao Ambohimanga Rova tamin’ny volana martsa. Ny fikambanana Manohisoa no nitarika ity fambolen-kazo ho fanarenana ny tontolo iainana ity.
« Tamin’ny volana martsa no novolena ireto zana-kazo ireto. Asa very maina fotsiny raha tsy misy ny fanaraha-maso tahaka izao » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Manohisoa. « Ho atao tsy ho ela indray ny fambolen-kazo eto Ambohimanga ihany. Hanentanana antsika rehetra eto amin’ny kaominina izany ho fanamaitsoana ny tanàna » hoy hatrany izy ireo.
Hiara-mientana tokoa ny fanarenana ny tanàna. Rehefa mavitrika ny mpitarika dia zary mavitrika ho azy vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
