ActualitésTsidika

Famorana faobe : Tontosa soa aman-tsara ny tao Sabotsy Namehana

Nifarana ny 29 aprily lasa teo ny hetsika didim-poitra faobe tao Sabotsy Namehana. Naharitra telo ny hetsika izay nokarakarain’ny kaominina sy ny Fikambanana Avotraina ary ny Fikambanana Mpikitra.

« Vita soa aman-tsara ny famorana-jaza faobe teto amin’ny CSBII Sbaotsy Namehana. Efa fanao isan-taona ity ho fitsinjovana ireo ray aman-dreny sahirana amin’ny fanatanterahana izany » hoy ny Ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina. « Zazalahy nanodidina ny 150 teo no nisitraka ity hetsika ity. Tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana no nanatanterahana izany rehetra izany. Isaorana isika rehetra izay nanohina ny antso » hoy i Bariniaina Fidy, mpitsabo nandray an-tanana ny hetsika.

Efa hiidtra amin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka tokoa isika izay fotoana mahamaina ny fery ary fanararaotana ny fanatanterahana ny didim-poitra. Tena ilain’ny mponina tokoa ny hetsika faobe tahaka izao manoloana ny fahasahiranana sy ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire