Dépêches

Ho ampiakarina ny karama ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina

26 Aprily, 14h00. Hisy fiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny tafa nataony nanaovany tatitra ny diany tany Washington. Hiakatra toy izany koa ny an’ny sehatra tsy miankina, ary hiaona amin’ny sehatry ny tsy miankina ny tenany handinika ny hampakarana ny karaman’ireo mpiasa tsy miankina. Hambarany amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela kosa ny tahan’ny fiakaran’ny karama ho an’ny fanjakana.

Laisser un commentaire