Politique

“Miara-Manonja” : Nahazo fiantsoana eny amin’ny zandramariam-pirenena I Andrianjato Vonison

Minisitry ny serasera tamin’ny fotoan’andron’ny filoha Teo Aloha Hery Rajaonarimampianina I Andrianjato Vonison. Mpanentana eo anivon’ny “miara-manonja” ankehitriny ihany koa izy. 

Taorian’ny hetsika izay nokarakaraina ny asabotsy lasa teo izay nilazan’ity mpanentana iray ity ny heviny mahakasika ny fitondrana no nahazo fiantsoana avy amin’ny sampana miady heloka bevava izy. Anisan’ny mikambana ao anatin’ny antoko RMDM izay vondron’ny mpanohitra izy.Etsy andaniny, ny eo anivony’ny mpanao fanadihadihana eny Fiadanana dia milaza fa ny fanelezana vaovao tsy marina sy fanalam-baraka moa no hiampangana azy.Raha toa ka mametraka fanontaniana kosa ny mpanohitra manao hoe “ mbola mandala ny tany demokrasia ve ny fitondram-panjakana “. Handrasana arak’izany ny tohin’ity raharaha tsy fifankazahoana eo amin’ny fanjakana sy ny mpanohitra ity.Raha tsiahivina, efa voarohirohy ho nangeja ny fitaovan’ny Soa radio ity minisitra teo aloha ity ary efa nisy raharah momba ny onjam-peo notantaniny. Milaza ny tsy matahotra izay zava-miseho rehetra ho avy moa izy nandritran’ny fotoana nandraisany fitenenana teny Imerikasinina ny asabotsy lasa teo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire