Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny hetsika fanarenana ny lalana
Mitohy ny asa fanarenana ny lalana eto Antanetibe Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana izao. Nisy ny fahasimbana tamin’ny lalana ary niroso tamin’ny fanamborana azy ny kaominina.
« Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny fokontany Antanetibe ary ireo mponina eny an-toerana no ahafahana manantanteraka izao asa izao. Tsara raha samy mandray anjara amin’ny hetsika fampandrosoana ny tanàna ny rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ankasitrahana ary ampirisihana hatrany ny rehetra izay nandray anjara tamin’izao fanamboaran-dalana izao. Ny fiara-mientana toy izao no toe-tsaina liana amin’ny fampandrosoana » hoy ny filoham-pokontany ao Antanetibe.
Tsy ny mpitondra irery tokoa no tompon’andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanàna. Ny mponina eny ifotony az ano tena tokony handray anjara mavitrika amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
