Sakaraha : Hisitraka vatsin’Ankohonana ny mponina
Mponina avy amin’ny kaominina telo ao amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana no hisitraka ny Vatsin’ankohonana. Ireo fianakaviana marefo sy sahirana amin’ny fampianaran-janaka sy fitsaboana ary sakafo no hahazo izany.
« Ankohonana 1 200 no hahazo izany ho an’ny ato amin’ny kaominina Vineta Andamasiny. Efa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ary hitohy hatrany » hoy ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, Dr Tovondrainy Ranoelson Edally. « Fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny FID no hanatanterahana ity tosika ho an’ny fianakaviana maro ao Sakaraha ity. Lelavola 40 000 Ar hatramin’ny 60 000 Ar isaky ny roa volana no azon’ny mpisitraka » hoy ny avy ao amin’ny Fitondram-panjakana.
Tena manampy ny fianakaviana sasany tokoa ny toy izao. Ilaina anefa ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny sosialim-bahoaka manerana ny Nosy.
Nicole Rafalimananjara
