Tontolo iainana: Hiaka ho an’ny ala tao Moramanga
Noamafisina ny ady amin’afo tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Manjaka ny doro ala sy ny doro tanety any an-toerana, tandindomin-doza ny ala. “Miompana amin’ny ala ny fototry ny fihariana sy fiveloman’ny mponina. Miharingana anefa izany ala izany amin’izao fotoana izao, porofon’izany ny fidangan’ny vidin’ny hazo. Antony voalohany mahatonga ny fahasimban’ny ala ny fanaovana tavy sy fa dorana ny amin’ny fambolena izay tsy voafehy” hoy i Antsa, mpianatra mikasika ny tontolo iainana. “Toa adino ny ady atao amin’ny afo rehefa fahavaratra ohatran’izao. Maporisika hatrany hanao hetsika miady amin’ny doro tanety izahay ao anatin’ny tetik’asa Hiaka ho an’ny ala” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. “Mila fampiroboroboana ny asa fihariany sy fanomezana asa ny tanora mba tsy hironany amin’ny fanaovana arina fandrehitra izy ireo” hoy i Clara, mponina ao Moramanga. Hita fa maharisika tokoa ny vehivavy amin’ny ady atao amin’ny afo. Tsara raha samy mandray andraikitra ny avokoa ny rehetra hiarovana ny ala.
