SocialTatitra

France : Zazavavy 11 taona nananton-tena tao Paris

Zazavavy kely 11 taona monja antsoina hoe Noela no namono tena tao Paris. Nirava avy nianatra nianatra tao amin’ny kolejy Henri-Matisse izy ary nirifatra tao amin’ny efitranony avy hatrany hoy ny reniny. Ny zandriny vavy 5 taona no nahita ny fatiny niantona tamin’ny fehikibo fanaovana « judo » 40 minitra tao aorian’ny nahatongavana.Tonga tao an-tranony vetivety taorian’izay ireo mpamonjy voina saingy tsy avotra intsony ny ainy. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana mety nanosika azy amin’izao famonoan-tena izao.Ny toe-javatra tany am-pianarany no ho fotopotorana voalohany amin’izany. Nilaza i Noela andro vitsivitsy tao alohan’ny tranga fa nanendrikendrika azy ny mpampianatra azy fa nandrahona azy ho faty i Noela. Marihina fa marary « schizophrène » i Noela, ary nilaza tamin’ny reniny ny talen’ny sekoly fa tsy tokony ho any an-tsekoly ny toerany fa any amin’ny toby mpitsabo aretintsaina.

Laisser un commentaire