Tena ilain’ny vatana ny vitamine D
Ny vitamine D na antsoina ihany koa hoe « calciférol » dia sokajiana ao anatin’ny vitamine levona anaty menaka. Ahitana azy ao anaty sakafo ary ihany koa amin’ny alalan’ny hoditra noho ny tara-masoandro.Ho an’ireo monina amin’ny faritra tsy dia misy masoandro dia ao anaty sakafo no tena hakana ny vitamine D. Miaro ny taolana ho an’ny sokajin’olona rehetra izy na ny kely na ny lehibe ary ilaina amin’ny fitomboan’ny taolana. Manampy betsaka amin’ny fiasan’ny hozatra ihany koa ny vitamine D ary ny fanavaozana ireo antsoina hoe « fibre musculaire ». Miaro ny « nerf » indrindra ny fahatsilovan-tsainan’ny olona. N y vitamine D ihany koa dia miaro amin’ny mety hisian’ny homamiadana ary manampy be ny hery fiarovana. Maro ny sakafo tena ahitana io vitamine D io toy ny trondro matavy ao anatin’izany ny sardine, hareng; fa eo ihany koa ny atinkena, ny atody, ny fromazy ary ny dibera sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono na ny ronono fotsiny amin’izao.Efa hafana izao ny andro kanefa mila tandremana ny fijanonana ela eo amin’ny masoandro fa mety hanary singa hafa indray.
Nicole Rafalimananjara
