ActualitésTsidika

Varotra fampirantiana ny asa vita Malagasy eny Antaninarenina

Misokatra ho an’ny rehetra ny varotra fampirantiana izay karakarain’ny eo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ny 7 oktobra no nanomboka izany hetsika izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny fahasivin’ny volana oktobra, izany hoe haharitra telo andro mifanesy.Trano heva maro no hita eny an-toerana izay hampiseho ny kanto indrindra amin’ny vita Malagasy. Atrik’asa, varotra fampirantiana sy fihaonambe eo amin’izany sehatra izany ho tazana mandritra izany. Maimaimpoana ny fidirana ho an’ireo mpitsidika izay liana. Fotoana iray izay hanomezana lanja manokana ny asa vitan’ny Malagasy amin’ny alalan’ireo akora izay vokarina eto Madagasikara ihany. Mpandraharaha maro no handray anjara tamin’izany, tanojona voalohany ny hamerenana indray ny lazan’ny asa-tanana Malagasy. »Mamporisika anay hanjifa ny vita gasy izao hetsika izao, tsy mihena mitaha amin’ireo entana afarana avy ivelany ny zava-bitan’ireo mpanao asa Tanana » hoy i Tafita, tanora nitsidika ny fampirantiana. « Mbola maro ireo lesoka amin’ny asa tanana Malagasy raha sy hilaza hafa tsy ny kalitaon’ny vokatra isika. Maro ireo mpisehatra amin’izany no tsirambina ny asa famaranana izay tena iankinan’ny kalitaon’ny asa Tanana » hoy i Fanilo, mpianatra. »Omena lanjany manokana ny asa vita eto an-toerana mandritra izao fampirantiana izao, Ny fanatsàrana ny kalitaon’ny asa sy ny fampivondronana ireo misehatra ao anatin’ny asa-tanana no fomba iray ahafahan’ny Minisitera foibe manampy ireo vahoaka izay eo ambany fiahihany » hoy i Sophie Ratsiraka, minisitry ny asa-tanana sy ny hai-tao. Anisan’ny famerenana miandalana ny kanto natoraly Malagasy ny fisian’izao hetsika izao, izay mifanesy isam-paritra tato ho ato.Inoana sy antenaina aorian’izao fandraisana andraikitry ny Minisitera izao ny hivelaran’ny lalam-barotra eo amin’ny sehatry ny asa-tanana. Andrasana noho izany ny fiverenan’ireo mpanjifa amin’ny fampiakarana indray ny lentan’ny asa tanana vokarina eto Madagasikara. Anisan’ireo manampy ireo mpisehatra rehetra mahakasika izany ireo vahoaka tapa-kevitra hanjifa ny vita gasy. Eo ihany koa ny fandraisany anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire