SocialTsidika

Fanohanana ny voly rakotra sy voly avotra any Alaotra Mangoro

Ny alarobia 11 aogositra sy ny alakamisy 12 aogositra 2021 no nankalazana ny « Journées agroécoliques » tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa ao anatin’ny tetikasa « enabling change » tao amin’ny « site mahalavandilana Andreba gara » izay nataon’ireo solonteann’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono any an-toerana sy ireo mpiara-miasa ary ireo tantsaha.

« Amporisihina sy ampianarina ireo tantsaha ampiasa ny teknika « Agroécologie »; izay miompana amin’ny fahaizana mampifandimby ireo karazana voly rakotra mety amin’ny toerana iva sy eny an-tanety, eo ihany koa ireo karazana voly avotra » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Tsara mihitsy ny ezaka tahaka izao satria manampy tosika ny tantsaha mpamboly sy indrindra eo amin’ny lafin’ny tontolo iainana » hoy i Nasandratra, tantsaha. Nanmafy ihany koa ireo mpiara-miasa amin’izao hetsika izao fa « natao izany mba iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fiarovana ny nofon-tany tsy ho mora potika no sady hanampy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ». Isan’ny misehatra betsaka eo amin’ny tontolo iainana tokoa ny tantsaha ka izany no tena tokony hanohanana azy ireny. Tsy eo amin’ny tontolo iainana ihany fa eo ihany koa ny eo amin’ny lafin’ny ara-toe-karena sy fihariana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire