ActualitésTsidika

Ambohimalaza:  Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana

Nahazo vahana tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny hala-botry isan-karazany, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tokantrano iray no niharan’izany tamin’ity herinandro ity, lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany ireo biby fiompy, araka ny voalaza.

« Mahagaga fa tena mamely ny halatra tato ho ato tety Ambohimalaza. Akoho miisa dimy no lasan’ireo olon-dratsy tato aminay » hoy i Mamy, mponina ao Ambohimalaza.

« Tsy misy afa-tsy ny fitandremana sy ny fahamailona tanteraka no vahaolana amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Tsy misy toerana izay tsy isehoan’izany ary tsy mifidy angalarina tsy mifidy fotoana hanaovana ny asa ratsiny ireo mpangalatra » hoy i Doda, mpivarotra.

Miantso vonjy amin’ny manam-pahefana sy ny mpitandro filaminana araka izany ireo mponina mba handray fepetra manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ity.

Laisser un commentaire