ActualitésTatitra

France : Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay lehilahy namono ny zanany 11 taona

Raim-pianakaviana iray 41 taona antsoina hoe Sergio Gil Gonzalez no nohelohina higadra mandra-pahafatiny tao amin’ny fitsarana tao Vaucluse ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina dia namono an’i Sarah zanany, 11 taona io lehilahy io tamin’ny volana jolay 2020.

Niala tao Espagne ny 18 jolay 2020 io lehilahy io rehefa nifanao fotoana tamin’ny renin’ny zanany izay nonina tao Gard. Marihana efa nisaraka noho ny fisotroana toaka tafahoatra sy ny herisetra nataon’ilay lehilahy izy roa ireo. Nifaraka ireto farany fa hiaraka amin’ny rainy ilay zazavavy nandritra io tontolo andro nisehoan’ny loza io.

Rehefa avy naka ilay zanany i Sergio Gil Gonzalez dia nentina teo amoron’ny Rhône izy. Nofatorany tady ny tanana sy ny tongotr’i Sarah ary natosiny tao anatin’ny rano. Raha ny fanazavana dia valifaty nataony tamin’ny vadiny io vono olona io.

Laisser un commentaire