Tsara ho fantatra : Taova saro-pady ny atidoha
Maro ny tsara ho fantatra mikasika ny atidoha sy ny fitaizana azy. Isan’ny taova saro-pady indrindra tokoa mantsy izy io noho izy maha olona ny olona ary izy no mampandeha ny zavatra rehetra amin’ny olombelona. Maro ireo mety manimba ny atidoha ary mila tandremana.
Ny tsy fihinanana sakafo maraina dia manimba ny atidoha. Betsaka tokoa mantsy ny olona kamo misakafo maraina, malaina misakafo maraina na maika hivoka ny trano dia adino ny misakafo maraina. Ny sakafo maraina anefa dia tena zava-dehibe ny fihinanana azy ary tsy tokony atao ambanin-javatra satria io no manome hery ho antsika mandritran’ny tontolo andro. Eo ihany koa ny tsy tokona hihinanana sakafo be loatra tsy mitondra vitamine sy calcium izay miteraka tavy sy menaka ao amin’ny vatana hany ka lasa manentsina ny lalan-dra sy manimba ny fo ary mitarika fahasimban’ny atidoha (AVC).
Tsy tsara ho an’ny atidoha ihany koa ny fifohana sigara, izay isan’ny manimba ny taova maro ao amin’ny vatana toy ny havokavoka, ary indrindra ny atidoha, satria mitarika ny aretin’ny « Alzheimer » sy « Parkinson ». Tsy tsara ihany koa ny mihinana mamy be loatra, ny fifohana rivotra maloto, ary indrindra ny tsy fahampian’ny torimaso. Tsy tsara raha saromana ny loha rehefa matory, ary tena tokony ho fadiana mihitsy izany.
Mila maka aina sy miala sasatra rehefa marary ny loha. Isan’ny mahatsara ny atidoha ihany koa anefa ny firesahana amin’olona, ary tena ilaina ny fifandraisana.
Nicole Rafalimananjara
