Ny voatango : Manala kentrona sy miroraka
Tsy voatery ho noho ny taona foana no mahatonga ny hodi-tavan’ ny olona ho antitra, fa mety ho vokatry ny fomba fisakafo, ny fikorontanan-tsaina ary koa ny fidanihana masoandro diso be loatra. Mba hanomezana hatanorana ny hoditra sy hampalefaka azy kokoa dia ampiasao ny voatango. Voatango didiny 2 sy voasarimakirana 1 no ilaina amin’izany.Totoina amin’ny « mixeur » ny voatango efa nodidiana sy novoasana mialoha. Etsy an-daniny, zaraina roa ny voasarimakirana dia alaina ny ranony. Raha efa izay dia arotsaka ao anatin’ilay “mixeur” ihany koa, hifangaro tsara amin’ilay voatango teo.Atsoboka kely ao anatin’ilay fangaro efa vita teo aloha ny vovon-dandihazo. Hosorana azy ireo faritra rehetra hita ho somary miroraka na misy kentrona, toy ny maso, ny handrina, ny laingon-tava… Avela hilona mandritra ny 30 mn izay vao kobanina amin’ny rano matimaty. Atao isan’andro raha te hahazo vokatra tsara.Betsaka vitamin A, B sy E ny voatango ka tena manamandina, mampalefaka, manome aina ary manakatona tsara ny mason-koditra. Mitazona ny hatanorana izy, vokatr’izany. Natoraly no sady mora vidy ihany koa ny voatango, raha oharina amin’ireny akora fikoloana endrika amidy eny an-tsena ireny. Azo araraotina tsara izy amin’izao fahavokarany izao. Azo ampiasaina amin’ny faritry ny vatana manontolo ihany koa.
Fenohasina Ratsimamitaka
